Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Andiany fahatelo : hampirantiana ireo voka-pikarohana

Hotanterahina ny 20 sy 21 oktobra izao ny fampirantiana momba ny voka-pikarohana andiany fahatelo izay tanterahina eny amin’ny oniversiten’Antananarivo. Manohana ny hetsika amin’ity taona ity ny vondron’ny mpandraharaha eto Madagasikara na ny Gem sy ny OIT.

Nahitam-pahombiazana indrindra teo amin’ireo tanora nahavita fianarana teny amin’ny oniversite ny fampirantiana andiany voalohany sy faharoa, ka izany no nahatonga ny mpikarakara hanohy ny hetsika.

Nisy ny famoronana asa betsaka nataon’ny tanora ary teo koa ny fahatokisan’ny mpampiasa ireo tanora nahavita fikarohana, ka nandray azy ireny teny anivon’ny orinasany. Nanaiky ny hametraka ho rafitra maharitra isan-taona ity fampirantiana ity, araka izany ny OIT izay mpanohana.

70 ireo tranoheva hampirantiana ireo karazana voka-pikarohana samihafa. Manodidina ny 5000 kosa ireo mpitsidika andrasana amin’izany. Haneho ny fahaizany ireo mpianatra ary hampiranty ny vokatra noketrehiny sy nandaniany rondoha.

Ankoatra izany ny toerana manokana ho an’ny fampiroboroboana ny fifandraisana eo amin’ny mpiara-miombon’antoka sy ny fihaonan’ny mpiasa sy ny mpampiasa mivantana.

Hisy ny fifaninanana eo amin’ny voka-pikarohana sy ireo izay manana tranoheva mendrika indrindra. Ankoatra izany ny fifaninanana eo amin’ny tompondakan’ny fandraharahana

Tatiana A

 

Les commentaires sont fermées.