Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

“Hiragasy makotrokotroka” : tonga amin’ny dingan’ny manasa-dalana

“Hiragasy makotrokotroka”  : tonga amin’ny dingan’ny manasa-dalana

Hiditra amin’ny dingan’ny manasa-dalana ny adin-kiragasy amin’ilay hetsika “Hiragasy makotrokotroka”, karakarain’ny Ofisim-paritry ny fizahantany eto Analamanga (Ortana), isaky ny fotoam-pialan-tsasatra lehibe. Ny alahady izao, eny amin’ny kianjan’Andohalo, hifampitana amin’ny manasa-dalana voalohany ry Raedisamimanana, avy any Sahavato, sy Rafarahasimanga Georgine.

Tsiahivina fa notontosaina teny amin’ny kianja Fidasiana eny Ambohimanga Rova, ny alahady lasa teo, ny “Hiragasy makotrokotroka”, noho ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fizahantany. Nifanandrina tamin’izany Raedisamimanana sy Roberson. Tonga maro nijery ity adin-kiragasy ity ireo mponina avy amin’ny fokontany 22 manodidina. Tsiahivina fa hatao ny 16 oktobra ny famaranana amin’ity hetsika andiany fahafito ity.

Fa eo amin’ny tontolon’ny fizahantany hatrany, mampahafantatra ireo karazam-piofanana sy asa mahakasika ny fizahantany ny Conforth sy ny Ortana.

Landy R.

Les commentaires sont fermées.