Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Carlton Anosy : ho vahinin’i Dadah sy i Fafah i Inah

Carlton Anosy : ho vahinin’i Dadah sy i Fafah i Inah

« Tsara tso-drano ». Rakitsary vaovao tazana iarahan’i Dadah sy i Inah mampiaraka talenta io. Fantatra fa handravaka ny seho hotontosaina rahampitso i Inah…

Hiavaka noho ny tamin’ny volana febroary lasa teo ny seho. Izay no fanambin’ny mpikarakara, miaraka amin’i Dadah sy i Fafah. Mahakasika ilay fampisehoana izay hotontosain’ireto andrin’ny tarika Mahaleo ireto, ao amin’ny Carlton Anosy io, ny zoma 30 septambra, manomboka amin’ny 8 ora alina.
Hampiavaka azy voalohany ny fandraisana anjaran’i Inah, izay vahiny nasaina manokana. Handravaka amin’ny feom-behivavy ireo hira sasantsasany noforonin’i Dadah izy, mandritra izany. Tsy vao izao ny fiarahana, fa efa nisy taloha ny nandraisan’i Inah anjara tao anatin’ny rakipeo sy ny fampisehoan’ny tarika Dadah R’Abel.
Hiavaka kokoa eo amin’ny lafiny mozika ihany koa izany. Araka ny fahitana ny famerenana farany, izay notontosaina omaly mantsy, nanisy haingony kely i Dadah sy i Fafah ka niantso ny fahaiza-manaon’ireo mpitendry tanora. Anisan’ireny i Mbola Talenta, mpitendry gitara ao amin’ny tarika Zandry Gasy, sy i Jahleky, mpilalao angorodao. Manampy azy ireo eo amin’ny fitendrena hatrany i Charle sy i Nary, izay ao amin’ny tarika Mahaleo ihany.
Marihina fa hivoaka amin’io fotoana io ilay “DVD” nalaina tamin’ilay fampisehoana “Tafaray samy tia”, izay niainga tao amin’ny CCEsca Antanimena ary efa nentina nihodina tany ivelany.

Zo ny Aina

Les commentaires sont fermées.