Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Marathon International de Tana : ho avy ny Maorisianina sy Renioney

Marathon International de Tana : ho avy ny Maorisianina sy Renioney

19 andro mialoha ny hiatrehana ny “Marathon international de Tana”,  isika anio. Efa mipetrapetraka ny fanomanana. Vonona ny atleta, hiatrika izany. Ho avy ireo atleta vahiny hifaninana amin’ny Malagasy.

 

Nambaran’ny filohan’ny federasiona malagasin’ny atletisma, Ramanantsoa Andriamahazo Norolalao, fa efa ho avy handray anjara amin’ny Marathon international de Tana, andiany faha-16, tanterahina amin’ny alahady 16 oktobra ho avy izao, ry zareo Maorisianina, izay hisy atleta roa ary ny Renioney, manana enina, ka anisan’izany i Jean-François Lebon, nandrombaka ny andiany faha-15.

Eo am-piandrasana ny valinteny avy amin’i Afrika Atsimo kosa ny mpikarakara. Ankoatra izay, hisy vahiny hafa koa ho avy, dia i M’bar Ndiaye, tompondaka eran-tany amin’ny tae-kwon-do sy Laurence Fischer, tompondaka eo amin’ny karate. Tsy hifaninana amin’ny Marathon izy mianadahy ireo fa handray anjara fotsiny, amin’ny 10 km.

 

Zava-baovao roa

Hampiavaka ity Marathon international de Tana 2016 ity, ny fisian’ny Maratoons Land, toerana natokana ho an’ny ankizy sy ny fianakaviana. Misy kilalao isan-karazany sahaza ny kilonga izany.

Eo koa ny “cabaret” ankalamanjana, hataon’i Fanja Andriamanantena, izay mankalaza ny faha-50 taona niakarany an-tsehatra sy nilomanosany tao anaty mozika. Ny asabotsy alina ny hanaovana izany, eo an-tokontanin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra.

Tsiahivina fa hahazo lelavola 1.500.000 Ar ny voalohany eo amin’ny Marathon international de Tana. Ankoatra ny Marathon, hisy koa ny “Les foulées écolo” mirefy 10 km sy ny handirun, ho an’ny olona sembana mirefy 10 km ihany koa ary ny Maratoons, hanana halavirana 1, 5 km.

“Mihazakazaka miady amin’ny sida”, ny teny filamatr’ity “Marathon international de Tana” ity.

 Torcelin

 

Les commentaires sont fermées.