Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« Hiragasy makotrokotroka » : hifindra kely eny Ambohimanga Rova

« Hiragasy makotrokotroka »  : hifindra kely eny Ambohimanga Rova

Araka ny anarany, nafana hatrany ny « Hiragasy makotrokotroka » tanterahina eny amin’ny kianjan’Andohalo isaky ny alahady. Fantatra fa noho ny fandaminana, hiova kely eny Ambohimanga Rova ity hetsika ity amin’ny alahady 25 septambra izao. Hifanandrina amin’izany ny tarika Raedisamimanana Sahavatobe sy Raoberson avy any Fenoarivobe.

Anisan’ny adin-kiragasy nakotrokotroka kosa ny fifandonan’ny tarika Ramilison Besigara Zokiny avy any Fenoarivo sy Razafimahandry Sahavato, omaly.

Marihina fa andiany faha-7 ny tamin’ity taona 2016 ity izay hifarana ny 16 oktobra izao raha nanomboka ny 17 jolay teo.

Nanangona HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.