Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ady amin’ny tazomoka : rarahana fanafody moka ny EPP

Ady amin’ny tazomoka : rarahana fanafody moka ny EPP

Hamendrahana ranom-panafody hiadiana amin’ny moka sy bibikely samihafa avokoa ireo sekoly EPP rehetra manerana ny boriborintany enina, hatramin’ny faran’ny volana septambra izao.
Araka ny vinan’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Ravalomanana Lalao, tanjon’ny hetsika ny hivantanan’ny mpianatra sy ny mpampianatra amin’ny sekoly madio tsy misy moka sy bibikely manelingelina amin’ny fampianarana ao an-dakilasy.

Nisantarana ny famendrahana odimoka, omaly, ny ao amin’ny boriborintany faharoa ny EPP Ampamantanana, Ambohitsoa ary Ambohimiandra. Namendrahana fanafody ny efitrano fianarana, ny trano fivoahana, ireo faritra manodidina ny sekoly, indrindra ny misy lobolobo na tatatra.
Hatomboka rahampitso ny eny amin’ny boriborintany fahefatra amin’ny alalan’ny EPP Soanierana I sy ny EPP Ankaditoho. Eny amin’ny boriborintany  voalohany, ny EPP III-G Hangar, ny EPP Antanimena I ary ny EPP 67 Ha Sud.
Mbola mitohy koa ny famendrahana fanafody eny anivon’ny fokontany samihafa izay efa natomboka ny 1 septambra lasa teo.
Ny boriborintany fahenina no hanatanterahana izany mandritra ny hateloana. Tao amin’ny fokontany Ankazomanga-Atsimo sy ny fokontany Andraharo no natao ny alarobia teo. Teny Anosivavaka sy Antanety-Avaratra kosa, omaly, ary eny Ambohimanarina sy Amboavahy ny anio. Mpanatanteraka ny asa ny ekipa teknika avy ao amin’ny BMH.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.