Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fitantanana ny firenena : mitaky ezaka amin’ny mpitondra ny Vondrona eoropeanina

Fitantanana ny firenena  : mitaky ezaka amin’ny mpitondra ny Vondrona eoropeanina

 Tsy mbola mahafa-po aloha hatreto. « Tokony hiezaka bebe kokoa ny mpitondra fa tena latsaka anaty fahantrana lalina ny firenena ary tokony hojerena ny filàn’ny vahoaka », hoy ny solontenan’ny Vondrona eoropeanina (UE) eto amintsika, Antonio Sanchez-Benedito, afakomaly tetsy Alarobia. Nohitsiny fa tokony hanana finiavana amin’izany ny mpitondra. Na izany aza, nilaza ny maha eo hatrany azy ireo ny Vondrona eoropeanina. « Vonona izahay ny hifanome tanana sy hifanampy amin’i Madagasikara », hoy ihany izy.

Nambara amim-pomba diplaomatika ny resaka ka na tsy mivantana aza, midika ireo fa tsy mbola mipetraka tanteraka ny fitokisan’ny mpamatsy vola antsika manoloana ny fitantanana ny firenena amin’ny ankapobeny. Tsy mifanaraka amin’ny fepetra takin’izy ireo ny ataon’ny mpitondra.

Fanjakana tsara tantana sy tan-dalàna…

Anisan’izany fametrahana ny fanjakana tsara tantana, toy ny ady amin’ny kolikoly sy ny resaka mangarahara, ny tany tan-dalàna ary ny tokony hametrahana ny rafitry ny Fitsarana avo natao hitsara ny mpitondra (HCJ).  Antony mbola mampihisatra ny fanampiana ara-bola antsika izany rehetra izany ary mampihisatra ny fifandraisana amin’ireo sehatra ara-bola iraisam-pirenena.

Na manampy aza izy ireo, tsy manome bolongam-bola avy hatrany fa mandeha ambaratongany sy tsikelikely ary mbola mandalo fepetra isan-karazany aza izany… Noho ny tsy fahatokisana ?

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.