Hanamarika ny Andro eran-tany ho an’ny fandriampahalemana i Madagasikara ny alarobia 21 septambra izao. Lohahevitra hovoizina maneran-tany ny hoe “Mitondra ho amin’ny fandriampahalemana ny tanjon’ny fampandrosoana maharitra”.
Tafiditra indrindra ao anatin’ny tanjon’ny fampandrosoana maharitra izay tokony hotratrarina amin’ny taona 2030 ny fisian’ny fahatoniana sy fandriampahalemana amin’ny firenena tsirairay. Tafiditra ao anatin’izany i Madagasikara.
Efa nisy ny atrikasa goavana nametrahana ny paikadin’ny fandriampahalemana manerana ny Nosy izay natao teny amin’ny CCI Ivato. Nandray anjara tao ireo hery rehetra eto amin’ny firenena ary samy nilokaloka fa hampanjaka ny fandriampahalemana.
Raha ny zava-misy hatreto, miaina anatin’ny tebiteby ny vahoaka malagasy. Tsy mbola hita ny fiasan’ireo mpizaika tamin’izany fotoana izany. Tsy an-tanàn-dehibe tsy any ambanivohitra fa mitaintaina sy manaintaina avokoa ny rehetra.
Halatra omby, fanafihana mitam-piadiana, hala-boty, vonoan’olona, fanolanana, fampihorohoroana… Ampahany ihany ireo fa tsy misy fitoniana ny vahoaka malagasy manoloana ny tsy fandriampahalemana sy ny fahantrana.
Mbola mila ezaka, ary mitaky fanovana toe-tsaina miainga any amin’ny fototra mihitsy vao hisy ny fahatoniana eto Madagasikara.
Tatiana A
Les commentaires sont fermées.