Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Dren Analamanga : hojerena ny fahasalaman’ny mason’ny mpianatry ny EPP

Hijery ny mason’ny mpianatra amin’ny EPP rehetra anatin’ny Dren Analamanga ny « Association pour l’éducation civique des parents et enfants ». Anisan’ny olan’ny mpianatra hita matetika eny amin’ny EPP ny olana amin’ny fahitana noho ny tsy fahampian-tsakafo. « Rehefa ny fahitana no misy tsy tomombana, mora reraka ny saina ka lasa kamo mianatra ny mpianatra », hoy ny sekretera jeneralin’ny fikambanana, Rasendra Noëlle Sandy, omaly teny Anosy. Homena solomaso ireo voatily fa mila izany. Hizarana odikankana koa ny mpianatra.

Hiezaka hahatratra ny mpianatry ny EPP rehetra amin’ny Dren Analamanga ny asa ka hanomboka ny 3 oktobra ary hifarana amin’ny fialan-tsasatra lehibe.

Hahazo tohana koa ny ray aman-drenin’ny mpianatra, homena asa azo avadika ho loharanom-bola izy ireo hamparisika azy handefa ny zanany any an-dakilasy. Iaraha-midinika ny fomba hisafidianana ny asa hitera-bola amin’ny alalan’ny famoronana kaoperativa madinika. Miainga avy amin’ny hetahetan’ny ray aman-dreny ihany ny asa hatao. Iray amin’ireo fikambanana fito nanao sonia fiaraha-miasa tamin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena omaly, ny Association. Faharoa, ny Canal 7 vidéo events, izay hanarina indray ny grand amphithéatre eo Ampefiloha ho lasa toerana fijerena hetsika ara-panabeazana maro.

Vonjy

Les commentaires sont fermées.