Tsy araka ny antontanisan’ny fanjakana amin’ny alalan’ny Masoivohon’ny vary (ODR) ny tena zava-misy eny an-tsena. Raha ny ao amin’ny boriboritany fahadimy, mihoatra ny 5.000 Ar , izany hoe tafakatra 5.600 Ar ny litatry ny menaka fihinana tsy anaty tavoahangy en vrac), ary mitovy amin’io vidiny io koa ny ao anaty tavoahangy plastika. Navoakan’ny ODR mantsy fa manodidina ny 3.500 Ar ny litatra any Boeny ary 4.800 Ar ny any Vakinankaratra sy Ihorombe, nefa io mihoatra ny 5.000 Ar ny eto an-dRenivohitra.
Tsy feno ny antontam-baovao
Marihina fa tsy feno ny antontam-baovao (faritra 12 amin’ny 22) navoakan’ny ODR farany teo (22-28 aogositra), sy ny toerana nohadihadiana. Azo raisina fa tsy afaka itarafana ny tena zava-misy eny ifotony, ka tsy afaka itarafana ny tena fiovaovan’ny vidin-javatra aloha hatreto.
Ho an’ny vidim-bary, ohatra, ny boriboritany fahefatra ihany no nahazoany antontam-baovao amin’ny boriboirtany enina eto an-dRenivohitra.
Njaka A.
Les commentaires sont fermées.