Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Prosperer : velaran-tany 100 ha nambolena volobe

Prosperer : velaran-tany 100 ha nambolena volobe

 Ahitana karazana volotsangana na volobe 32 eto Madagasikara raha 1.200 ny maneran-tany. Lalam-pihariana vaovao hitondra fampandrosoana, azo ahodina ho fanaka, angovo, taozavatra, saribao, sns.

Nanomboka ny taona 2010 ny fampiroboroboana ny lalam-pihariana volotsangana na volobe amin’ny firenena 41 ka anisany i Madagasikara. Fiaraha-miasa iarahan’ny Tahiry iraisam-pirenena ho fampandrosoana ny eny ambanivohitra (Fida) sy ny Tambajotra iraisam-pirenena ho an’ny volotsangana sy ny “rotin” (Inbar) ary ny Fandaharanasa manohana ny orinasa madinika eny ambanivohitra (Prosperer). Natsangana ny vondron’asa volobe, hanatanteraka ny asa, vatsin’ny Vondrona eoropeanina (UE) ara-bola miparitaka any amin’ny faritra sivy iasan’ny Prosperer: Analamanga, Itasy, Boeny, Bongolava, Matsiatra Ambony, Vatovavy Fitovinany, Sofia, Atsinanana ary Analanjirofo.

Ahitana karazana volontsangana maherin’ny 1.200 maneran-tany ka hita eto Madagasikara ny 32. Miisa 900 ny mpamboly zana- kazo volobe nomena fiofanana ka efa am-perinasa ny 145. Mahatratra 100 ha ny velaran-tany voavoly volotsangana niaraha-niasa amin’ny orinasa sy ny tantsaha, ahitana zana-kazo maherin’ny 252.000. Nafindra tanana (in vitro) ny 20.000 tamin’ireo.

Havadika ho sakafom-biby

Navadika fanaka matetika ny volotsangana teto Madagasikara, ankoatra ny fanaovan-trano nahazatra. Ankehitriny, misy teknika ahafahana mamadika azy ireny ho saribao fandrehitra, iatrehana amin’ny fahasimban’ny ala sy ny doro tanety, miantraika amin’ny tontolo iainana. Azo avadika ho angovo biomasse koa ity akora ity, ary misy koa ny fampiofanana amadihana azy ho sakafo ho an’ny biby fiompy. Eo am-pamolavolana ny hanatanterahana ity lafiny iray ity, iarahan’ny Inbar sy ny Prosperer ary ny tetikasa Fiompiana sy fambolena Malagasy-Norvezianina (Fifamanor).

Anisan’ny nomena lanja manokana ny lalam-pihariana volotsangana nandritra ny Hetsika Voatra 2016, natao ny 8-10 septambra teo tetsy amin’ny tokotanin’ny lapan’ny Tanàna Analakely.

Njaka Andriantefiarinesy

Les commentaires sont fermées.