Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Marathon International de Tana : hanala vela amin’i Lebon i Hajanirina

Marathon International de Tana : hanala vela amin’i Lebon i Hajanirina

Hiditra amin’ny andiany faha-16 ny «Marathon international de Tana». Efa tomombana ny fikarakarana rehetra. Vonona torak’izany koa ny mpandray anjara, indrindra ireo atleta malagasy, hiatrika izany.

 

Tsy misy ny fiovana fa ny alahady 16 oktobra no hanatontosana ny «Marathon international de Tana». Io no nambaran’ireo tomponandraikitra avy amin’ny VIMA (Vision Madagascar) sy ny federasiona malagasin’ny atletisma, miaraka amin’ireo mpanohana sy mpiara-miombonantoka rehetra, tamin’ny mpanao gazety, omaly tetsy Antaninarenina.

Hanao be fiavy amin’izany, ry zareo Renioney izay hisy mpihazakazaka 12 mianadahy, ka ho anisan’izany, Jean-François Lebon, nandrombaka ny fandresena tamin’ny andiany 2015. Ankoatra azy ireo, eo koa ny Maorisianina, hisy atleta 5. Vonona ary tapa-kevitra hifanandrina amin’izy ireo, ny mpifaninana malagasy. Anisan’izany, i Hajanirina sy Jean de La Croix. Hanala vela, manoloana an’i Lebon amin’ity izy mirahalahy ireo. “Hiezaka mihitsy izahay, hanohana ny atleta malagasy, ka hanao izay hahazoan’izy ireo ny fandresena fa tsy omena ny vahiny intsony”, hoy Ramanantsoa Norolalao, filohan’ny federasiona.

Tsiahivina fa hahazo 1.500.000 Ar, miampy medaly volamena ny voalohany amin’ity.

Ankoatra ny “Marathon”, hisy koa ny fifaninanana hafa toa ny 10 km foulées, ny handi-run, ho an’ny atleta manana fahasembanana ary ny Marathoons, 1, 5 km.

Tsiahivina fa loh-hevitra entina amin’ity hazakazaka ity ny ady amin’ny otrikaretina Sida sy ny fikajiana ny tontolo iainana.

 Tompondaka

Les commentaires sont fermées.