Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fidirana « fourrière » : mahatratra 60.000 Ar ny lamandy aloa

Fidirana « fourrière »  : mahatratra 60.000 Ar ny lamandy aloa

Araka ny naoty laharana faha-113-CUA/1AM.16 tamin’ny 10 aogositra 2016, manantitrantitra ny kaominina Antananarivo Renivohitra fa toy izao ny sandan’ny fampidirana “fourrière“, araka ny didim-pitondrana 609-CUA/DS/CAB, tamin’ny 28 mey 2014.
Ho an’ny fiarakodia,  20.000 Ar ny sandan’ny fitaterana, miampy sanda hafa toy ny fiambenana sy ny sisa ka miampy 10.000 Ar isan’andro. Ho an’ny biby, 15.000 Ar ka hatramin’ny 100.000 Ar ny sandan’ny fitaterana, ary 2.000 Ar ka hatramin’ny 5.000 Ar isan’andro ny sanda hafa.
Ho an’ireo karazan’entana hafa, 20.000 Ar ka hatramin’ny 60.000 Ar, miampy sanda 1.000 Ar isanisany isan’andro ny lamandy.
Marihina fa ny sarety na entin-tanana, na tarihim-biby dia heverina ho toy ny fiara, ary ampidirina “fourrière” ihany koa ireo entana eo amboniny.
Folo andro, raha kely indrindra, ny faharetan’ny “fourrière”, ary dimy andro kosa raha entana mora simba.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.