Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – «Can 2017» : hatao amin’ny 19 oktobra ny antsapaka

Kitra – «Can 2017»  : hatao amin’ny 19 oktobra ny antsapaka

 Efa fantatra avokoa ireo firenena hiatrika ny dingana famaranana,  amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra (Can 2017). Ny volana oktobra izao kosa no hanaovana ny antsapaka izay ho iray vondrona.

 

16 ireo firenena hiady ny andiany faha-31 amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2017), baolina kitra. Fihaonana, hatao any Gabon, ny 14 janoary ka hatramin’ny 5 febroary amin’ny taona ho avy.

Araka ny fantatra, hatao ny 19 oktobra ho avy izao, any Libreville, Renivohitr’i Gabon, ny antsapaka, hahalalana izay ekipa ho iray vondrona, amin’ity fifaninanana ity. Marihina fa hotsinjaraina ao anaty sokajy efatra ireo firenena rehetra tafita ka efatra isam-bondrona izany.

Mandra-piandry izany, ekipa telo lehibe aty amin’ny kaontinanta afrikanina, izay samy efa nandrombaka ny Can, no tsy tafiditra ao anatin’ny lisitra. Anisan’izany, ny Voromaherin’i Nizeria, efa intelo tompondakan’i Afrika (1980 ; 1994 ; 2013) ary vao avy nandrombaka ny medaly alimo, tamin’ny “Lalao Olympika” (JO 2016), natao tany Rio de Janeiro, Brezila.

Eo koa ny Bafana Bafana avy atsy Afrika Atsimo, tompondaka tamin’ny taona 1996 ary ny Chipolopolos-n’i Zambia, nahazo izany ny taona 2012.

 Tompondaka

Ireo ekipa 16 tafita amin’ny Can 2017 :

 

Gabon : Firenena mpampiantrano

Tonizia : Voalohany sokajy “A”

Togo : Faharoa mendrika tao amin’ny sokajy «A»

RD Kongo : Voalohany sokajy «B»

Mali : Voalohany sokajy «C»

Burkina Faso : Voalohany sokajy «D»

Oganda : Faharoa mendrika sokajy «D»

Ginea Bisao : Voalohany sokajy «E»

Maraoka : Voalohany sokajy «F»

Egypta : Voalohany sokajy «G»

Ganà : Voalohany sokajy «H»

Côte d’Ivoire : Voalohany sokajy «I»

Alzeria : Voalohany sokajy «J»

Sénégal : Voalohany sokajy «K»

Zimbaboe : Voalohany sokajy «L»

Kameronina : Voalohany sokajy «M»

 

Les commentaires sont fermées.