Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Cnaps sy ny Tahirimbolam-panjakana : tsinjovina tsy ho very zo ny mpiasa ECD

Cnaps sy ny Tahirimbolam-panjakana  : tsinjovina tsy ho very zo ny mpiasa ECD

Maro amin’ny mpiasa tsy raikitra (ECD), indrindra ny eny amin’ny fanjakana, tsy mandray fisotroan-dronono, nefa efa niasa am-polon-taonany maro (20 na 30 taona). Anisan’ny mahatonga izany ny tsy fandoavan’ny mpampiasa na ny fanjakana (minisitera, faritra, distrika, kaominina, rantsamangaikan’ny minisitera,…) ny latsakembony any amin’ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana ara-tsosialy (Cnaps). Nanapa-kevitra araka izany ny Cnaps sy ny Tahirimbolam- panjakana nanofana ny olona rehetra mpikirakira ny volam-panjakana sy ny taratasim-panjakana, ny alarobia 31 aogositra hatramin’ny omaly, zoma 2 septambra.

Tsy maintsy aloa ny latsakemboka

Maro ny fiofanana nomena, toy ny mikasika ny lalàna manan-kery amin’ny fiahiana ara-tsosialy, ny karazana tolotra omen’ny Cnaps ( bevohoka, mpiteraka, fanonerana ny lany teo am- piterahana, antsasa-karama, volan-jaza, solo-takaitra, fisotroan-dronono, …) , sns. Tsiahivina fa adidy tsy maintsy efain’ny fanjakana mpampiasa ny ECD ny mandoa ny latsakemboka any amin’ny Cnaps. Miara-miasa amin’ny fanaraha-maso ny fandoavana ny latsakemboka ny Cnaps sy ny Tahirimbolam-panjakana, nametrahana ny tranonkala www.cnaps.mg. « Tsy voahaja ny zon’ny mpiasa raha tsy misy ny mangarahara sy raha sanatria tsy manara-dalàna ny fitantanana ny volam-panjakana », hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny Tahirimbolam-panjakana, Rajaonarivony Tiana.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.