Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Taona 2017 – Valiha : hitsangana ny ivontoeram-pikarohana

    Goavana ny tetikasa ! Sambany eo amin’ny tantaran’i Madagasikara no hanana ivontoeram-pikarohana manokana ny valiha sy ny tontolony. Hisokatra ny taona 2017 izao ity toerana ity ka ankoatra ny fitrandrahana ny tany aloha (tantaran’ny valiha, ny kolontsaina fonosin’ny valiha…), hitana anjara toerana lehibe ao ihany koa ny fampanarahana fenitra iraisam-pirenena ny fampianarana mitendry valiha.

    Raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra, tsy ny eto an-toerana ihany no mila mahafantatra sy ivelaran’ny kolontsaina malagasy fa hatrany ivelany mihitsy. Antony nahatonga io endri-pampianarana io izany.

    HaRy Razafindrakoto

    Les commentaires sont fermées.