Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Porofoy amin’ny asa ny vava

Porofoy amin’ny asa ny vava

Fanambarana etsy, fanambarana eroa… Vitan’izany ve izao olana lehibe sy lalina eto amin’ny firenena izao? Eo ny tsy fahombiazan’ny mpitondra, ny fanjakan’ny kolikoly, ny harem-pirenena zary tantely afa-drakotra, ny fivarotan-tanindrazana, ny fampihorohoroana, ny fangejana… Manginy fotsiny ny fahasahiranam-bahoaka: tsy fandriampahalemana, fidangan’ny vidim-piainana, ny ady tany…

Vita sy milamina ho azy amin’ny famoahana fanambarana ve izany? Eny, na fanambarana hery aza: hitambatra haninona, ho aiza? Na ny mpitondra io, na ny mpanohitra. Tsy mbola misy asa sy hetsika aloha izao, fa fanambarana no betsaka: ady amin’ny alalan’ny fitaovan-tserasera. Hamaha ny olana sy hanatsara ny fiainam-bahoaka ny famoahana izay itompoana teny fantatra ho marina amin’izany?

Tsy mahagaga raha mampiaka-peo, ohatra, izay tsy ao anaty fanjakana na ny hoe mpanohitra: mitsikera, miantso fiaraha-midinika, mangataka fametraham-pialana, fifidianana alohan’ny fotoana, na fidinana an-dalambe aza… Izay no azony atao na mety ho vitany aloha amin’izao. Ilaina ve izany? Na azo antoka hahomby… Arakaraka ny fifandanjan-kery io amin’izay tombontsoa arovana na iadiana: ady fiady.

Ny mahavariana, talatsaka amin’izay kilalao politika izay koa ny mpitondra: mamaly bontana, tsy manaiky ho diso, manamarin-tena… Tonga hatramin’ny fitsikerana sy fanoherana ny mpanohitra. Hahavaha olana sy hanatsara ny fiainam-bahoaka takina amin’izy ireo ve izany? Tsy vitan’ny hoe ampahatsiahivana sy tanisain’ny mpanohitra izany, fa fanambin’ny mpitondra tamin’ny fifidianana: mila tanterahiny.

Takina amin’ny mpitondra ny fanatanterahana fanamby. Hita sy tsapan’ny vahoaka ve izay? Mbola mibahana ny karazana kabary tsy valina, fampielezan-kevitra, fanasana atidoha, fandokafan-tena ho mahavita… Asehoy amin’ny asa fa diso ny tsikeran’ny rehetra, mahomby ny tena; esory amin’ny asa ny tahotra korontana sy fanonganam-panjakana; porofoy amin’ny asa fa mihatsara ny fiainam-bahoaka… Aiza izay eo?

Rafaly Nd.

Les commentaires sont fermées.