Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mitazam-potsiny ny fitondrana… : mahabe taraina hatrany ny delestazy

Mitazam-potsiny ny fitondrana… : mahabe taraina hatrany ny delestazy

 Tsy misy farany fa mahabe taraina hatrany ny delestazin’ny Jirama. « Tsy ampy rano, tsy ampy solika, tsy ampy vola… », izany foana no fialana olana. Mikaikaika ny mpanjifa. Ny fanjakana anefa, tsy ahitan-teny, mitazam-potsiny.

 

Io sahady àry! Nahatsikaritra ny mpanjifa rehetra fa niha naharitra ny fahatapahan’ny herinaratra eto Antananarivo sy ny manodidina. Afakomaly, naharitra adiny roa mahery ny delestazy, nanomboka tamin’ny 6 ora sy sasany ary tsy niverina raha tsy tamin’ny 8 ora sy sasany alina. Omaly, nanomboka tamin’ny tolakandro ny fahatapahana ary nitohy ny hariva.

Raha zohina ireo, toa ny mpanjifa sy ny Jirama no tadiavina hampiadiana. Kely hery manoloana ireo ny Jirama, satria tsy misy rahateo ny vahaolana avy any aminy.

Tsy izy rahateo ny tompon’ny fanapahan-kevitra amin’ny fitantanana sy ny famahana ny olana, na dia ianjeran’ny rihitra sy ny alahelon’ny mpanjifa aza. Antony, vao mainka aza nahenan’ny fanjakana ho 250 miliara Ar ny fanampiana azy tamin’ity taona 2016 ity, raha 300 miliara Ar ny taona 2015. Faharoa, saika lany ividianana gazoala ny ampahany betsaka amin’ny vola mivoaka amin’ny Jirama. Saika efa niharan’io tsy fahampian’ny solika mampandeha ny milina mpamokatra herinaratra io avokoa ny tobin’ny Jirama (75%) manerana ny Nosy.

Zogain’ny mpanjifa

Vahaolana naroson’ny mpamatsy vola, tsy maintsy notanterahin’ny fanjakana, ny fampiakarana ny vidin-jiro sy ny rano, zogaina sy zakain’ny mpanjifa. Anisan’ny firenena lafo vidin’angovo indrindra aty Afrika anefa i Madagasikara. Singa iray mampihemotra ny mpampiasa vola vahiny (IDE) ny halafosan’ny angovo.

Tsy hita mandraka ankehitriny ny fifanarahana amin’ny Symbion Power, hitantana ny eny Mandroseza sy Ivolobe Toamasina. Tsy miantraika any amin’ny mpanjifa koa ny famokarana herinaratra avy amin’ny Aggrekko. Vao manomboka ny vanim-potoana main-tany, ritra ny loharano mitarika ny fihenan’ny haavon’ny rano manodina ny milina mpamatsy herinaratra (Andekaleka, Mandraka, Mantasoa, Tsiazompaniry, sns). Tonga indray ny fahavaratra, lazaina fa tototry ny antsanga sy fasika ny tohodrano.

Manofy

Tsy nisy hatreto vahaolana maharitra avy amin’ny fanjakana, afa-tsy ny fikasana hisitahana amin’ny Jirama. Lazaina fa misy ny paikady Tetezamitan’ny Angovo, “hanofisana” fa hahaleo tena amin’ny herinaratra isika amin’ny taona 2020. Ny olana fohy ezaka aza tsy voavaha, ka toky tsy hita mazava tsy ho tanteraka no toriana etsy sy eroa, lazaina fa “ho foana ato anatin’ny telo volana” nanomboka ny febroary 2014 ny delestazy.

Randria

Isaorana ny Jirama amin’ny famahana ny olana ara-teknika sy ny vonjitaitra, toy ny fanarenana haingana ny fahasimban’ny fitaovana herinaratra “transforamateur”, ny rano tapaka. Hita mibaribary fa manana ny traikefa ny mpiasa, fa ny mpitantana mihitsy no angady tsy mahatapak’ahitra.

 

Les commentaires sont fermées.