Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Malemy amin’ny lafiny maro

Malemy amin’ny lafiny maro

Dia mbola mampitombo ary manampy trotraka ny laza ratsin’i Madagasikara any ivelany any indray ilay vonoan’olona nahafaty ireo teratany frantsay roa, tany Sainte Marie, ny alahady maraina teo. Samy niresaka iny tranga iny avokoa ny gazety sy televiziona frantsay, toa ny France 24, France 2, France O,… ny gazety Le Monde,… « Habibina, tranga barbarianina… », hoy izy ireo. Ireto niharam-boina rahateo dia samy mpiasa an-tsitrapo (volontaires) amin’ilay fikambanana mpiaro ny trozona any Sainte Marie. Ity fikambanana ity, ankoatra ny fiarovana ny trozona dia manao asa sosialy isan6karazany amin’ny lafiny fahasalamana, fanabeazana, fiarovana ny tontolo iainana, sns, ary manampy betsaka ny mponina any an-toerana.

Tsy voalohany ny tranga nahafatesana teratany frantsay tahaka izao. Teo, izay nitranga ny taona 2012, nahafaty ireo mpivady frantsay mpanao hotely fandraisam-bahiny, tany Toliara. Ny taona 2013, ary tena nahoraka dia ny fitsaram-bahoaka nahazo ireo teratany frantsay roa lahy, tany Nosy Be, maty nodorana velona taorian’ny nidarohan’ny olona azy ireo. Amin’ny ankapobeny, tranga tahaka ny tranga mpiseho andavanandro ihany ny tahaka izao. Mpiseho ihany koa any amin’ny firenen-tsamihafa any ny fahafatesana teratany vahiny, mivahiny na miasa amina firenena iray ka tsy tokony hahagaga loatra. Saingy ireto moa teratany vahiny avy amina firenen-dehibe no niharam-boina aty amin’ny firenena madinika. Hany ka toa lasa ohatran’ny hoe vaovao lehibe, goavana dia goavana ilay izy. Efa nanao fanambarana mikasika an’ity tranga ity rahateo ny fitondrana frantsay, tamin’ny alalan’ny tany Quai d’Orsay. Hita ho mikoropaka, eo anatrehan’izany ny fitondrana malagasy. Ny minisitra iray aza dia nilaza fa « tsy maintsy ho fantatra… ao anatin’ny fotoana fohy izay nahavanon-doza nahafaty ireto teratany frantsay ireto ». Satria ve teratany avy amin’ny firenena vahiny, matanjaka ? Firifiry ireo heloka be vava namoizana olon-tsotra teratany malagasy, toa tsy hita izay fizotry ny famotorana fa very an-javony fotsiny. Na izany na tsy izany, izao tranga izao, dia mbola manamafy indray ny fahalemen’ny fitondrana amin’ny lafiny maro eto amin’ity firenena ity.

Randria

 

Les commentaires sont fermées.