Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kolontsaina faran’ny herinandro

Kolontsaina faran’ny herinandro

Seho roa misesy, feno hatrany ny toerana. Mandalo eto an-tanindrazana i Lalatiana. Noezahiny hatrany ny manome fahafaham-po ny mpankafy ny hirany. Tsapa rahateo ilay fifamatorana akaiky eo amin’izy ireo sy i Lalatiana. Tsikaritra ihany koa fa na eo aza ny elanelan-tany, tsy misy ny fifanadinoana. Voamarina avy amin’ireo seho ireo ihany koa ilay filazana fa ». Mora niampita ilay kanto avy any amin’i Lalatiana hany ka voarain’ny mpitia ny kanto tsara.

 

Samy nanao izay ho afany na ny tarika Rasoasimanga (eto amin’ny sary) na ny tarika Raemilson Tsimakalagy avy any Arivonimamo nanoloana ny mpankafy hiragasy tonga teny amin’ny kianjan’Andohalo, omaly. Samy naneho teo imason’ny mpijery ny fahaizany miatrika adin-kiragasy makotrokotroka tahaka izao. Tsikaritra ihany koa ilay fahaizana manintona ny mpijery hifantoka amin’ny tononkira sy ny tantara ambarany. Teny malagasy madiorano, miampy hatsikana eny an-tsefantsefany eny. Arahina mozika sy dobok’amponga… Tafita ny hafatra !

 

 

Nanatontosa : Fano sy Hary ary Mamiherison

Les commentaires sont fermées.