Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hery… famoretana !

Hery… famoretana !

« Fa misy matso angaha ao Analakely ao ? » hoy ny fanontanian’ny maro, nahita ny habetsahan’ny mpitandro filaminana, nirangaranga… nirongo fitaovam-piadiana, saika avy amin’ny antoko tafika, omaly. Iny omaly iny tokoa angamba no azo lazaina fa nampitolagaga indrindra tamin’ny fanetsehana ny mpitandro filaminana, nisakanana sy nandravana hetsika an-dalambe teto hatramin’izay. « Nandamoka ! » hoy ny sasany. « Nitsefotra ! » hoy kosa ny hafa ny hetsika hoe hamoriam-bahoaka nikasana handrodanana ity fitondrana ity, omaly. Amin’ny lafiny iray, azo lazaina fa nahavita ny iraka nankinina taminy ny lehiben’ny Emmo/Reg, dia ny hiaro hatramin’ny farany ity fitondrana efa ihandronan’ny alahelo sy ny hatezeram-bahoaka ity. Amin’ny lafiny ilany koa anefa, ny fanetsehana mpitandro filaminana sy fitaovam-piadiana izaitratra tahaka ireny dia mampibaribary ny fahalemena, ny hakanosana, ny tahotry ny mpitondra fanjakana. Fomba fanaon’ny mpitondra mandrovi-tsihy mantsy ny fampiasana mpitandro filaminana hanaovana ramatahora sy hery famoretana tahaka ireny. Indrindra fa ny fahalalahana fototra ambaran’ny fanambarana iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona mihitsy no voatohintohina.  Ny fahalalahana amin’ny fanehoan-kevitra izany. Ny demokrasia e !

Izay ho tohiny no asa. Ny andaniny, izany hoe, ny mpitarika ny hetsika koa, omaly ihany dia efa nanao fanambarana fa tsy hihemotra amin’izay efa nokasainy. Na ahoana na ahoana anefa, ny akon’ireny zava-nitranga omaly ireny dia efa singa iray hafa indray hanaratsy endrika ity fitondrana ity eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Omaly vao maraina ihany dia efa niparitaka sy nandrakotra ny internet, facebook, sns, ny sary sy ny vaovao hafa rehetra mifandraika amin’izany. Ho an’ny any ivelany mantsy, indrindra ireo mpamatsy vola sy mpandraharaha vahiny, mbola endriky ny tsy fisian’ny fitoniana politika eto amin’ny firenena izany, ka vao mainka hampihemotra azy ireo. Eny fa na ireo efa eto aza, mety hangoron’entana hody any aminy koa. Iza no mahita ! Dia mbola hikatso, tsy ho tafavoaka eto ihany izany.

Mamy Randrian

 

Les commentaires sont fermées.