Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« Salon des jeux de société » : nahasarika olona ny kilalao malagasy

« Salon des jeux de société » : nahasarika olona ny kilalao malagasy

Tamin’ny tatitra nataon’ny tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny Alliance Française Antananarivo, omaly, no nilazany fa nahasarika olona maro ireo lalao malagasy tao anatin’ny « Salon des jeux de société » andiany faha-21. Nomarihiny manokana tamin’izany ny fanorona, katro. Saika nahitana ny sokajin-taona rehetra ny nandray anjara tamin’ireo lalao ireo. Anisan’ny tanjona tratrarina nandritra ity lalao iombonana ity rahateo ny fanomezana aina ny kolontsaina. Fampandrosoana sy fampivelarana ny maha olona ny tsirairay. Niray feo ny amin’ny hanohizana ity hetsika ity, ireo rehetra nandray anjara teny an-toerana. Sosokevitra heno tamin’izany ny hisiany indroa ao anatin’ny taona.

Hatreto aloha, nambaran’ny tompon’andraikitra fa hisy izay fitohizan’ny « Salon des jeux de société » izay amin’ny herintaona. Tombony lehibe ho an’ny mpianatra tsy afaka mandeha miala sasatra ivelan’Antananarivo rahateo ny fisian’ny hetsika tahaka izao.

HaRy Razafindrakoto

 

Les commentaires sont fermées.