Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Miova hevitra ny vahoaka rehefa ivadihana

Miova hevitra ny vahoaka rehefa ivadihana

Efa naneho ny heviny tamin’ny fifidianana ny vahoaka. Mila miaritra izay hatramin’ny taona 2018, hono. Tsy tokony hiova hevitra eny an-dalana izany? Na ho jamba sy minia mitampi-maso hatramin’ny farany… Heverin’ny mpitondra efa pahina na tsy mahita inona ny vahoaka amin’izao noho nampidirana azy amin’izao kizo izao?

Eto amintsika, tsy misy firy ny fitsapana hevi-bahoaka. Aiza ho aiza ny mbola fitiavana sy fanohanan’ny vahoaka ny mpitondra? Any amin’ny firenen-dehibe, miankina amin’izay fitsapana hevi-bahoaka izay ny fanovan’ny mpitondra famindra amin’ny fomba fiasany, ny lalan-kizorany; eny, na ny fifandraisany amin’ny vahoaka aza…

Fa tsy anaovana tian-kano tsy tian-kano ny vahoaka hoe tsy hiova hevitra sy hanana ny fitsarany ny mpitondra intsony mandritra ny fe-potoam-piasana manontolo. Ny adala ihany, hono, no tsy mahalala miova hevitra. Ny mpitondra no tsy matoky tena sy tsy marin-toerana noho ny tsy fahombiazana, ny vahoaka avy koa no tampenam-bava.

Ampangaina ho manakorontana sy manongam-panjakana avokoa tsinona izay rehetra mitady haneho hevitra sy hihetsika. Eny, na momba ny tsy fandriampahalemana aza izany, na noho ny delestazy, fidangan’ny vidim-piainana… Mba fantatry ny mpitondra ve hoe mitsoka mankaiza marina ny tena hevi-bahoaka ifotony amin’izao?

Loza iray, loza roa… Terena tsy hiova hevitra tamin’ny fifidianana tsy nazava be ihany na amboletra ny vahoaka, tsy avela haneho hevitra. Amin’izany, miova hevitra eny am-panidinana sy mivadi-balirano amin’izay nifanarahana hoe hotanterahiny, tamin’ny fifidianana, ny mpitondra. Mby aiza avokoa ny fampanantenana… poakaty?

Fanitsakitsahana lalàna isaky ny mihetsika, manombola amin’ny lalàmpanorenana, ohatra, ny hoe fanjakana tan-dalàna? Kolikoly sy kiantranoantrano amin’ny raharaham-pirenena ananan-kavana ny fitondrana tsara tantana? Fivarotan-tanindrazana sy harem-pirenena tantely afa-drakotra ny hoe fampandrosoana?

Mivadika sy mamadika ny mpitondra, tsy mahagaga raha miova ny hevi-bahoaka. Avelao malalaka sy tsapao… raha sahy?

Rafaly Nd.

Les commentaires sont fermées.