Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Volley-ball : niatrika fiofanana tany Tonizia i Dago

Volley-ball : niatrika fiofanana tany Tonizia i Dago

Razafinjatovo Honoré. Mpanazatra ny klioba-na volley sokajy diviziona voalohany lehilahy, GNVB. Izy no solontenan’i Madagasikara niatrika ny fiofanana mpanazatra “niveau III” tany Tunis, Tonizia, ny 1 – 8 aogositra teo.

Raha ny fampitam-baovao, iray avy ny an’i Madagasikara sy Maroc ary Congo Brazzaville. Nahatratra 23 kosa ny an-dry zareo Tonizianina, mpampiantrano, raha enina avy any Alzeria ary roa avy any Burkinafasso.

Fiofanana avy amin’ny federasiona iraisam-pirenen’ny volley-ball (FIVB) sy ny kaonfederasiona afrikanina (Cavb) ity natao tany Tonizia ity. Nataon’ireo departemanta iraisam-pirenena ireo izany ho fampivelarana sy ho fampiroboroboana ny taranja eo anivon’i Afrika.

Inoana, araka izany, fa hitondra soa sy fampivoarana ho an’ny volley malagasy ity fiofanana norantovin’i Honoré ity.

Ankoatra izay, hampiantrano fifaninanana iraisam-pirenena ny klioba GNVB amin’ity taom-pilalaovana ity.

M.N.

Les commentaires sont fermées.