Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mahajanga : nisokatra ny « Herinandron’ny kabary »

Mahajanga : nisokatra ny « Herinandron’ny kabary »

Tontosa, omaly, tao amin’ny Tranoben’ny kolontsaina any Mahajanga ny fanokafana ny « Herinandron’ny kabary » karakarain’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy (Fimpima). Tafiditra tao anatin’ny fandaharam-potoana tamin’izany ny famoahana mpianatra, fanasalorana lamba ho an’ireo rehetra tsy mbola nosalorana, fitokanana sampana vaovao avy ao atsinanan’i Mahajanga, fianianan’ny filohan-tsampana atsinanan’i Mahajanga sy Ambatondrazaka. Tao ihany koa ny fitsidihana ny fampirantiana ny kolontsaina isam-paritra. Fotoana nanehoan’ny Fimpima rahateo fa mivelatra manerana ny Nosy sy hatrany ivelan’i ’adagasikara ny fikambanana. Tany ho any amin’ny olona 400 no nanatrika izany.

Notontosaina omaly tolakandro kosa ny fiofanana momba ny lohahevitra « fandrindram-potoana ». Nofaranana tamin’ny takarivam-pialamboly handraisan’ny faritany rehetra anjara ny fandaharam-potoana, omaly.

Fiofanana momba ny fifampiraharahana. Atrikasan’ny fampianarana ary faribolan’ny mpikabary kosa ny hotontosaina anio.

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.