Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Faran’ny herinandro an-tsary

Faran’ny herinandro an-tsary

: Ny zaza navelan-dRakotosolofobetsinjaka avy eny Fenoarivo, nanafana ny « Hiragasy makotrokotroka », teny amin’ny kianjan’Andohalo.

Tao anatin’ny « Hiratry ny kintana » no nahatsiarovan’ny Faribolana Sandratra an’i Om-Gui, tetsy amin’ny CGM Analakely. Tonga teny rahateo ny tarika Ny Ainga.

Nitombo 620 indray ny mpikabary ny tolakandron’ny asabotsy teo. Namoaka ny andia Mb Terezin’i Jesoa Zazakely ny Mpikalo.

: Anisan’ny nandray anjara tamin’ny fampahafantarana ny rakikira « Tsara ny Tompo » ny tarika Nina Randrianaivo.

Lola sy Njakatiana, mpanakanto samy manana ny feony, nampiraisin’ny « 1+1 » teny amin’ny Coliseum Antsonjombe… Nanome « kanto » ny valin’ilay kajy !

Ny feo, samy manana. Ny tanjona, hanome fahafaham-po ny mpijery, nitovizana… Fampiaraham-peon’i Théo Rakotovao sy Do Rajohnson.

Nafana ny « Smile party » ! Nahazo ny anjarany avy ireo tanora tonga marobe teny amin’ny AFT Andavamamba.

Fifanomezam-potoana efa zary raikitra ny an’ny mpanala Bacc sy Ricky isan-taona.

« Rap gasy top 50 and classics », nahatarafana indray ny fahaizan’ny Malagasy mifehy ny mozika rap.

Nanatontosa : HaRy sy Fano ary Mamiherison

Les commentaires sont fermées.