Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Handball – CJSOI 2016 : hiady lohany amin’i La Réunion i Madagasikara

Handball – CJSOI 2016 : hiady lohany amin’i La Réunion i Madagasikara

Efa nampoizina. Tafita hiatrika famaranana amin’ny fiadiana ny lalaon’ny Commission de la Jeunesse et des Sports de l’Océan Indien (CJSOI), eo amin’ny taranja handball zazalahy, i Madagasikara sy La Réunion. Ireto firenena roa ireto izany no hidona eo amin’ny famaranana, anio, etsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina.

Raha ny fizotry ny manasa-dalana omaly, tsy nahatohitra an’i Madagasikara i Kaomoro. Lavontsika tamin’ny isa 27 noho 24 izy ireo tamin’izany. Niady ny fihaonana ary samy nampiseho ny fahaiza-manaony ny ekipa roa tonta. Saingy, nanatombo tany amin’ny fahaiza-miaraka teo amin’ny fanafihana sy fiarovan-tena ny ekipa nasionaly. Nahay nanararaotra ny fahaverezam-baolina sy fahadisoana nataon’ireo mpilalao kaomorianina ihany koa ny ekipam-pirenena.

Etsy andaniny, nandresy mora fotsiny an’i Mayotte kosa i La Réunion teo amin’ny manasa-dalana ilany. Lavo tamin’ny isa 38 noho 30 ry zareo Mahorais tamin’izany. Hiady ny laharana fahatelo kosa i Kaomoro sy Mayotte, anio, mialoha ny hikatrohan’i Madagasikara sy La Réunion ny famaranana. Marihina fa ny orinasa Telma no mpanohana ny hetsika sy ny ekipa nasionaly.

M.N.

Les commentaires sont fermées.