Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Atletisma – CJSOI 2016 : nahazo medaly volamena 4 ny Malagasy

Atletisma – CJSOI 2016 : nahazo medaly volamena 4 ny Malagasy

Mitohy ny fahombiazan’ny Malagasy eo amin’ny lalao CJSOI. Tsy mitsahatra ny mitombo ny isan’ny medaly volamena azo. Anisan’ny nahazo izany, ny taranja atletisma, izay tsy nampitsanga-menatra ny zava-bitany.

Nampitombo ny isan’ny medaly volamena efa azon’ny Malagasy, ny taranja atletisma, omaly teo amin’ny lalao CJSOI. Fihaonana, notanterahina teny amin’ny kianjan’Alarobia. Nandrombaka 4 indray mantsy, ireo mpihazakazaka malagasy. Anisan’ny nahazo izany, Njarasoa Claudine, teo amin’ny 100 m vehivavy. 12 s 89 %, ny nahavitany izany, halaviran-dalana izany. Mbola Malagasy ihany koa ny niambozona ny medaly volafotsy, tamin’ny alalan’i Hanitriniaina Jany, izay nahatontosa izany, 12 s 90 %. Ilay Mahorezy, Ali Naoumi kosa ny fahatelo, nahazo ny medaly alimo.

Ny medaly volamena faharoa azo omaly dia ny teo amin’ny 400 m, zazalahy. Remandro Patrice  ny voalohany, nahavita izany tao anatin’ny 49 s 38 %. Novereziny 1 mn tany aoriany, ilay Renioney, Corentin Vernaissin, nahazo ny medaly volafotsy. 50 s 14 % ny fe-potoany ary ilay Seiseloà, Stephano Bibi, ny fahatelo, 50 s 28 %.

Mbola nisongadina ihany koa ny Malagasy teo amin’ny halavirana 400 m vehivavy, izay nandrombahan-dRaherinaivo Koloina ny medaly volamena. Tontosany tao anatin’ny 59 s 57%, izany. Teo koa ny 1500 m, vehivavy ihany izay lasan-dRasoloheritiana Linah, tao anatin’ny 4 mn 53 s 44%.

Hitohy anio ny fihaonana, izay mbola hisy “épreuve”, hiadiana medaly volamena, hatrany.

 Tompondaka

Les commentaires sont fermées.