Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Judo – CJSOI 2016 : niampy roa ny volamena azon’i Dago

Judo – CJSOI 2016 : niampy roa ny volamena azon’i Dago

Mazava. Nanjakan’i Madagasikara tanteraka ny fiadiana ny lalaon’ny Commission de la Jeunesse et des Sports de l’Océan Indien (CJSOI), andiany faha-10,  eo amin’ny taranja judo zazalahy sy zazavavy. Mitana ny laharana voalohany isika eo amin’io taranja iray io.

Raha nandrombaka medaly volamena dimy isika, afakomaly, teo amin’ny katrok’ady ho an’olon-tokana, niampy roa indray izany, omaly, teo amin’ny isan-tarika zazalahy sy zazavavy.

Resintsika teo amin’ny famaranana sokajy zazavavy i Mayotte. Fandresena efatra be izao no indray azontsika tamin’izany. Toraka izany koa teo amin’ny zazalahy, nomontsanintsika ihany koa i La Réunion.

Ho an’ny zazavavy manokana, anisan’ny namiratra tamin’izany Andriamifehy Mireille, Rabeharinirina Fanjaniaina, Ratsiavy Alexandrie. Tsiahivina fa efa nandrombaka volamena teo amin’ny olon-tokana izy telo vavy ireo.

Ankoatra izay, anisan’ny mpanohana ity CJSOI 2016 ity sy ny ekipa nasionaly miaro ny voninahitry i Madagasikara ny orinasa Telma.

M.N.

Les commentaires sont fermées.