Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra malagasy : nodimandry Robin, mpanazatra

Misaona ny tontolon’ny fanatanjahantena malagasy, indrindra ny taranja baolina kitra. Nodimandry, ny asabotsy lasa teo,  Andriamanalina Robin, mpanazatra ny klioban’ny AC Sotema Mahajanga. Ekipa nandrombaka ny amboaran’i Madagasikara, ny taona 75 ka hatramin’ny taona 82.

Anisan’ireo mpanazatra malagasy, voalohany, nahatafita klioba teo amin’ny manasa-dalana, amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, niaraka tamin’ny AC Sotema, ny taona 1979, Itompokolahy. Raha tsiahivina, nandresy ny Bendel Insurance Nizeria, tany amin’ny taniny, tamin’ny isa 2 noho 0, ny lalao mandroso ary lavo tamin’io isa io ihany koa tetsy Mahamasina, nandritra ny fihaonana miverina. Rehefa natao ny fandakana ny «tirs au but», resy tamin’ny isa 5 noho 4 ka i Lanziz, no tsy nahafaty ny dakany. Ny taona 1983, nanazatra ny ekipan’i Ste Marienne, La Réunion, i Robin.

Ankoatra ny maha mpanazatra azy, mpampianatra fanatanjahantena, tao amin’ny lycée Andohalo ny tenany ary mpikatroka judo, manana ny tepana mainty 4 è Dan. Omaly no nandevenana azy. Namela mananotena sy zanaka iray ary zafikely mianadahy, i Robin.

 Tompondaka

 

Les commentaires sont fermées.