Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Judo – CJSOI 2016 : voalohany i Madagasikara, nahazo volamena dimy

Judo – CJSOI 2016 : voalohany i Madagasikara, nahazo volamena dimy

Mazava. Nanjakan’ireo kilonga vavy sy lahy malagasy ny fiadiana ny lalaon’ny “Commission de la Jeunesse et des Sports de l’Océan Indien” na CJSOI 2016, taranja judo. Norombahin’i Madagasikara ny laharana voalohany tamin’ity andiany fahafolo ity ho an’ny katrok’ady ho an’olon-tokana. Nahazo medaly sivy i Madagasikara ka ny dimy amin’izany, volamena avokoa raha roa avy ny volafotsy sy alimo.

Saika nanjakan’ny ekipa nasionaly ny fifaninanana, omaly. Teo amin’ny sokajy zazalahy, ny teo amin’ny sokajy ambonimbony, ny -60 kg sy ny -66 kg ary ny +66 kg ihany no tsy nahazoantsika volamena. Teo amin’ny zazavavy, ny sokajy -57 kg sy ny +57 kg no votsotra ny medaly volamena ho antsika.

Araka izany, sahirana ireo firenena mpifanandrina tamin’i Madagasikara teo amin’iny katrok’ady ho an’olon-tokana iny.

M.N.

Ireo nahazo medaly

 Volamena:

Zazalahy

-50 kg: Andrianarivony Jean Leonardo

-55 kg: Tolinantenaina Marco Lebrun

Zazavavy

-44 kg: Rabeharinirina Fanjaniaina

-48 kg: Ratsiavy Alexandrie Norah

-52 kg: Andriamifehy Mireille

Volafotsy

Zazalahy

-66 kg: Ranarivola Herinavalona

Zazavavy

+57 kg: Rakotobe Tania

Alimo

Zazalahy

-60 kg: Ratovona Harison Satry Ifaliana

Zazavavy

-57 kg: Ramiandrasoa Nathacha

Les commentaires sont fermées.