Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Resaky ny mpitsimpona akotry : Kolon-tsainan’ny fihofoana loko

Maro ny fikambanam-pinoana (association cultuelle) vaovao niorina teto amin’ny nosy tao anatin’ny 30 taona. Misy amin’izy ireo no miroborobo nohon’ny fahaizana mandresy lahatra. Tsy hoe olona tsy nanana finoana daholo ireo ondry vao angonin’izy ireny, maro ireo mpino avy any amin’ny finoana tranainy no niampita any aminy , samy vonton’ny fiheverana fa ilay fivavahana vaovao izay iraiketany no tena làlana ahafahany misondrontra sy ahitany fanazavana. Raharahan’ny tsirairay manokana moa ny mikasika ny finoana, meloka izay mitsaratsara ambony ihany avy aty ivelany an’izay tena marina any am-po sy any an-tsain’ny sasany.

Toy izany fivadibadihana izany koa no mitranga eo amin’ny sehetra pôlitika, tsy miafina intsony ny fahasahin’ny sasantsasany amin’ireo mpilalao ao amin’io sehatra io izay tsy manana fahamenarana iampitapita avy atsy amina antoko iray dia iantsapy any amina vondrona mpifaninana na fahavalo mihitsy aza. Tsy zava-baovao ny fisehon’izany, ary efa tafiditra ao anatin’ny fomba fanao aza raha dinihana avy amin’ny fiteny isan-karazany toy ny hoe “iza kosa no itaingina soavaly maty” na ny hoe “maka lokon’ny tany izay manompo hatrany ny lokon’ny mpandresy”. Manimba ny tany anefa ity tsy fijoron’ny mpanao pôlitika amin’ny heviny ity. Ny fanaovana pôlitika moa dia ny fanoloran-tena itolona anjakan’ny hevitra inon’ny tena, hevitra izay inona fa làlana ampandroso ny tanindrazana ahitan’ny olon-drehetra fisondrotana. Raha mahatsapa ny tena fa diso làlana indray mandeha, dia manetry tena tsy hiady toerana intsony sao diso làlana fanindrony ka itarika indray any an-kady. Mitaky fitaizana an’izany toe-tsaina izany eo amin’ny sehatra fanaovana pôlitika mba andresena an’ilay kolon-tsainan’ny fivadibadian-dela sy fiovan-doko. Aiza kosa dia hanendry minisitra mihadidy manokana ny kolontsaina ho an’ny fitaizana ny tontolon’ny pôlitika ve ? Azo antenaina hamokatra anefa ve izany, sanatria ireo efa nifandimby sy ny tompon-toerana ve dia tsy misy pentina tamin’ny fikasokasohana teo amin’izany aretina fivadibadihana izany? Ny mpitazana rehetra dia samy mijery sy mahita ny fahadiovan-tsainan’ny tsirairay amin’ireo minisitra niandraikitra ny kolontsaina, tarafina amin’izany iza no tsy nivadi-dela na tsy niova loko. Iza koa ny antoko izay tsy nampitovy an’io sehatra io amina tsenam-barotra ao amin’ny tontolon’ny fandraharahana  ka tsy nanao hetsika fanambazana atao hoe “OPA”. Io fanao io moa dia isehona tetika mangina ambadika na voalaza aza fa ampahibemaso.

Léo Raz

Les commentaires sont fermées.