Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kolontsaina faran’ny herinandro

Kolontsaina faran’ny herinandro

coliseum Antsonjombe : Nafana ny « Revinay taloha

Nanjakan’ny tanora ny fampisehoana ! Krutambull, Tempo Gaigy, Tif à Tif, Suspens, Nabaoh, 3%, Spesialista, tarika samy manana ny mpankafy azy. Na izany aza, niraisana kosa ny hatanorana nananan’ny mpijery. Tranga niteraka hafanana na teny an-tsehatra na tany amin’ny mpijery nandritra ilay seho goavana « Revinay taloha ».

Na nangatsiaka aza ny andro, nafana avy hatrany raha vao niakatra ny sehatra ry Sasha Krutam, Big Jim, Rad’z ary Mavaring ao amin’ny tarika Krutambull. Ho an’ity tarika manana ny maha izy azy ity, karazana seho santatra amin’ny fiverenany an-tsehatra ny teny amin’ny Coliseum, omaly.

????????????????????????????????????

????????????????????????????????????

« Hiragasy makotrokotroka » : Tsy nifampitsitsy ny roa tonta

Andro faharoa, omaly, ho an’ny adin-kiragasy “Hiragasy makotrokotroka”,

Tsy nifampitsitsy ry Rakotomandimby Pierre avy any Morarano Gara sy Ramilison Besigara Zokiny, avy eny Fenoarivo. Samy namoaka ny fahaizany mifehy ny kabary, feo, filalaovana zavamaneno, fanehoana tantara tao anaty reninkira, sns.

Tsikaritra ihany koa  fa tian’ny Malagasy ny hiragasy, fa ilay tsy fahitana azy ity loatra eto an-dRenivohitra no miteraka tsy fahalalana izany ho an’ny tanora sy ny ankizy aty aoriana.

Nanatontosa: HaRy sy Fano ary Mamiherison.

Les commentaires sont fermées.