Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – Amboara rezionaly : faritany enina hiady ny 20 tapitrisa Ar

Kitra – Amboara rezionaly  : faritany enina hiady ny 20 tapitrisa Ar

Hanomboka, ny asabotsy 23 jolay ho avy izao,  any amin’ny kianja Rabemananjara, Mahajanga ny fiadiana ny amboara rezionaly, taranja baolina kitra. Ho goavana ny fihaonana satria hahazo lelavola 20 tapitrisa Ar, izay ho voalohany. Faritany enina no hiady izany volabe izany, amin’ity andiany ity.

Hanokatra ny fihaonana, Antananarivo sy Toamasina, ho an’ny vondrona «B» ary Mahajanga sy Toliara, ny sokajy «A». Ankoatra izay, hisy koa ny vola homena ny mpilalao mendrika sy ny mpamono baolina be indrindra, ary ny teknisianina tsara, izay samy hisitraka 600.000 Ar, avokoa. Hifandimby hihaona ireo ekipa telo isaky ny vondrona ka miatrika ny manasa-dalana, ireo roa voalohany isan-tsokajy.

Mandra-piandry izany, toy izao ireo vola hatolotra ny ekipa tsirairay.

 Tompondaka

Voalohany  : 20.000.000 Ar

Faharoa : 10.000.000 Ar

Fahatelo : 4.000.000 Ar

Fahefatra  : 2.000.000 Ar

Fahadimy :1.400.000 Ar

Fahenina : 1.000.000 Ar

Sokajy «A» : Mahajanga, Toliara, Antsiranana

Sokajy «B» : Antananarivo, Toamasina, Fianarantsoa

 

Les commentaires sont fermées.