Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

By Pass : fatina tovolahy feno ratra hita tao ambany tetezana

Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana. Fatina tovolahy iray manodidina ny 24 taona eo hita faty teny amin’ny By Pass, eo amin’ny toerana antsoina hoe Mandikamanana Amoronankona, ny alatsinainy hariva teo tokony ho tamin’ny 6 ora. Vaky ny lohany, nipotsaka ny atidohany, ary tapaka ny feny havanana. Nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany ny olona  teny amin’ny manodidina.

Voalaza fa tovolahy tsy hita izy io, ary efa nokarohina talohan’izao nahitana ny razana izao. Ny alahady hariva izy no niala tao an-tranony ary tsy nody nanomboka teo. Nikaroka azy ny fianakaviany, saingy tsy nahita azy mihitsy. Olona sendra nandalo ka nahita ra nitetena tamin’ny arabe, ary nanaraka izany no nahita ny razana. Araka ny fanazavan’ny mpitandro filaminana, novonoina izy io. Mety ho notontana vato ny lohany, na koa voadonan’ny fiara. Tsy fantatra na efa maty izy no nariana teo amin’ilay toerana, na tao amin’io nahitana azy io namonoana azy. Mandeha ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.