Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Boxe – Mada 2016 : hampiantranoan’ny ligin’Analamanga ny fifaninanana

Boxe – Mada 2016 : hampiantranoan’ny ligin’Analamanga ny fifaninanana

Mitety faritra. Raha ny ligin’Atsinanana no nampiantrano ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja ady totohondry, tamin’ny taon-dasa, horaisin’ny ligin’Analamanga indray izany, amin’ity taom-pilalaovana 2016 ity. Nambaran’ny filohan’ny federasiona malagasin’ny ady totohondry (FMBO), Rabarisoa Hery Mamy, fa etsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina ny hanatanterahana izany, ny volana septambra izao. Tsy mbola voafaritra mazava kosa ny daty satria miankina amin’ny fahalalahan’ny toerana ihany.

Ankoatra izay, hotanterahina mandritra izany koa, raha ny voalaza hatrany, ny fivoriambe ara-potoan’ny federasiona na AGO. Miankina amin’io kosa ny fahazoan’ny mpitantana eo anivon’ny FMBO fitokisana (quitus) na tsia avy amin’ireo ligim-paritra ary koa hahafahan’izy ireo mbola manohy ny asany amin’ny maha mpitantana azy ireo na tsia.

M.N.

Les commentaires sont fermées.