Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Avadika ho ambadika politika ny tsy fahombiazana

Avadika ho ambadika politika ny tsy fahombiazana

Tsy misy tsy mikaikaika izao amin’ny afitsoky ny mpitondra… mampiteny ny moana. Tsy hita izay vita. Tsy vitan’izany, tsy mangarahara fa an-kifonofono avokoa izay atao rehetra, na ampandriana adrisa, na amboletra amin’ny tian-kano tsy tian-kano, na ampiasana herim-pamoretana. Izay sisa hery?

Miharihary izany, raha tsy hiteny afa-tsy ny “Raharaha Soamahamanina”, ohatra. Tsy misy manazava izay tena olana fototra sy vahaolana maharitra ho amin’ny tombontsoa iombonana, fa fanarian-dia sy fandrebirebena ny mponina any an-toerana no betsaka. Raha tsy izany, fampiasan-kery fotsiny izao…

Toy izany koa ny amin’ny lalàna mifehy ny fifandraisana na ny lalàn’ny famoretana: hiroso amin’izay hampanankery izany ihany ny mpitondra? Na solombavambahoaka 18 amin’ny 151 aza no andaniny azy, efa samy nilaza ny tokony hamerenana ny fakan-kevitra amin’ny fandrafetana azy aza ny rehetra.

Hatramin’izay fitakian’ny mpianatry ny oniveriste ny fandoavana vatsim-pianarana avy; ohatra, no ampiasana heri-miaramila. Nefa tsy mahavaha olana na tsy mahatsinjo lavitra ny mpitondra, na manjehy ny andro ho lava: isan-taona, misy hatrany ny fitakiana fandoavana vatsim-pianarana. Nahoana?

Tsy vahaolana maharitra amin’izay mitranga tsinona no imasoan’ny mpitondra, fa famoretana amin’ny fampiasan-kery hatrany. Tsy mandaitra sy tsy ahoan’ny olona intsony izay fanarian-dia, fampandriana adrisa… Ny zava-doza, ampangaina ho manakorontana sy manongam-panjakana izay mihetsika rehetra.

Amin’izany, avadika ho ambadika politika ny tsy fahombiazana. Lazaina ho misy ambadika politika izay miteny sy mihetsika rehetra: fitaovana politika, ampiasain’ny mpanao politika… Nefa ny mpitondra no tena mamadika ny raharaha ho politika hatrany; eny, na izay heverina ho tsy inona akory aza.

Tsy mahagaga raha tsy misy izay fitoniana politika, fa mamorivory tena toa ranon-trambo ny mpitondra. Hanao ahoana?

Rafaly Nd.

 

Les commentaires sont fermées.