Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Mirongatra indray ny fanendahana anaty taxi-be. Olona maromaro tao anaty taxi-be 133 no notafihin’ny jiolahy, afakomaly hariva teny Bemasoandro Itaosy. Tsy nanampo na inona na inona ireo mpandeha satria nisy nahatsikaritra ny fidiran’izy ireo teo Ampefiloha, saingy tsy noheverin’ny olona fa jiolahy fa mpandeha taxi-be toy ny mpandeha rehetra. Voalaza fa taxi-be iray nihodina tapa-dalana teo Ampefiloha no nidiran’ireto jiolahy ireto. Aoka ho mailo hatrany rehefa mandeha amin’ireny taxi-be ireny fa mihamivoatra hatrany ny asan-jiolahy eto amintsika. Ao an-trano mitaintaina, mivoaka ny trano miferin’aina, tsy misy iainan’ny olona intsony ny tsy fandriampahalemana eto amintsika.

Les commentaires sont fermées.