Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Indray mijery

Analakely sy ny manodidina omaly. Natahotra ny sakoroka mety haterak’ireo mpanararaotra ny hetsika nataon’ny mpanao gazety izy ireo.

Nisy rahateo ny barazy nataon’ny mpitandro filaminana tsy nahafahan’ny fiara mivezivezy teo Analakely. Hatramin’ireo tranombarotra eny Antanimena nanakaton-trano avokoa vokatry ny ahiahy ny mety ho fisian’ny fandrobana ataon’ny mpanararaotra.

Fantatra tamin’ny filankevitry ny governemanta omaly fa hotanterahina any amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany, Manakara, ny 31 jolay izao ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy afrikanina. Iandraiketan’ny minisiteran’ny Mponina  sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy ny fanatanterahana ny hetsika.

 

Les commentaires sont fermées.