Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Taxi-be iray no notafihin’ny jiolahy miisa efatra tao anaty tonelina Ambanidia, afakomaly. Voalaza fa taxi-be 119 avy any Ankatso hihazo eny 67 ha ity niharan’ny fanafihana ity. Mody nandray taxi-be toy ireny mpandeha ireny ry zalahy, kanjo nasain’izy ireo nijanona ny fiara nony tafiditra tao anaty tonelina. Notatazin’izy ireo toy ireny mananty rakitra ireny ny entana sarobidy rehetra tany amin’ireo mpandeha. Samy tsy nanampo na inona na inona rahateo ny mpandeha satria nitondra basy ry zalahy.

Dahalo roa voatifitry zandary tany Analamaizina Andranomainty, afakomaly. Avy nangalatra omby ampolony maro tao amin’ity fokontany voalaza etsy ambony ity ry zalahy tamin’io fotoana io. Nanara-dia avy hatrany ny zandary taorian’izay ka nisy ny fifandonana ka nahatonga ireo dahalo roa lahy naratra mafy. Nisy olona iray nalain’izy ireo takalonaina, saingy avotra soa aman-tsara.

Les commentaires sont fermées.