Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Taom-baovao Malagasy : « Zava-dehibe ny nahitana ny maro »

Taom-baovao Malagasy : « Zava-dehibe ny nahitana ny maro »

Ny 5, 6 ary 7 jolay teo no nankalazana ny Taom-baovao Malagasy teny Anosimanjaka. Anisan’ny nisongadina teny an-toerana ny lahateny nataon’ny avy ao amin’ny komity mandinika ny fanisana andro  nilaza fa « efa dingana goavana izao fahitana ny maro izao na eo aza ny maha samihafa ny fanisana andro ». Nomarihin’ny filohan’ity komity ity rahateo fa tsy mora ny asa miandry amin’ny famoahana daty iraisana hanombohana ny taona. Tao anatin’ny fifankatiavana sy fifamelana tanteraka ny nanatontosana ny lanonana rehetra.

…« Nandefasana fanasana ny minisiteran’ny Kolontsaina fa tsy tonga », hoy ny filohan’ny Zanadranavalona Anosimanjaka. Ny hetsika tahaka itony anefa, anisany mamerina indray ny maha Malagasy ny Malagasy. Fomba amam-panao maro, tafaverina indray amin’ny vanim-potoana lehibe tahaka izao.

Fantatra fa ny 24 jona ny andron’ny Taom-baovao Malagasy amin’ny taona 2017 raha ny fanisana andro isa lava ampiasain’ny Zanadranavalona Anosimanjaka.

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.