Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Indray mijery

Efa nanomboka afakomaly ny fitsarana ny taratasim-panadinana ho an’ny CEPE eny amin’ny foibem-pitsarana 15 eto Antananarivo. Niroso tamin’ny famindrana ny naoty ao amin’ny ordinatera ny tomponandraikitra omaly teny amin’ny foibe 1760 ho an’ny Cisco 114. Hivoaka amin’ny fotoana ahavitan’ny dingana rehetra ny valim-panadinana. Amin’ny faran’ny herinandro ho an’ny Cisco sasany, tsy taran’ny 18 jolay kosa ho an’ny hafa. Azo jerena amin’ny finday telo miasa eto amintsika ihany ny valin’ny CEPE. Alefa amin’ny laharana 601 ny laharan’ny mpiadina tamin’ny fanadinana ary mivaly eo noho eo na afaka na tsia ilay mpiadina. Misy vidiny ny fandefasana ny SMS amin’ireo orinasam-pifandraisana ireo.

Les commentaires sont fermées.