Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Sabotsy Namehana : mpitondra Scooter maty nodomin’ny kamiaobe

Sabotsy Namehana : mpitondra Scooter maty nodomin’ny kamiaobe

Nandriaka ny ra! Maty tsy tra-drano ny lehilahy iray voadonan’ny kamiaobe teny Antsofinondry Sabotsy Namehana, omaly hariva. Teo am-pisongonana ilay kamiabe izy no voadona tampoka…

Voadonan’ny kamiaobe  teo alohany ity mpitondra môtô ity ka maty tsy tra-drano rehefa nianjera teo afovoan’ny arabe, araka ny fitantaran’ireo olona nahita ny fitrangan’ny loza teny an-toerana. Niezaka niala nenina taminy ihany ireo olona teny amin’ny manodidina amin’ny hamonjena ny ainy saingy tsy nisy azo natao intsony noho ny fahaverezan-dra be loatra. Potika tsy nisy noraisina ihany koa ilay môtô nentiny vokatry ny dona nahazo azy. Somary teritery rahateo koa ny lalana miampy ny fitohanan’ny fifamoivoizana ka izany koa no isan’ny mampanano sarotra ny fifamoivoizana amin’iny lalana iny. Tonga teny an-toerana ny zandary nanao fanadihadiana rehetra momba ity loza ity.

Tokony hitandrina hatrany ny tsirairay fa tampoka ny fiavian’ny loza. Mirona any amin’ny fampiasana azy ireny avokoa ny ankamaroan’ny olona noho ny fitohanan’ny fifamoivoizana lavareny isan’andro. Manala fahasahiranana tokoa izy ireo raha somary maikamaika. Misy amin’ireo fiara anefa no tsy miraharaha ireny mpitondra môtô ireny eny an-dalambe. Ny mpitondra môtô koa tokony hanaraka ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana mba hisorohana ny loza. Nanamafy rahateo ny polisim-pirenena fa ny valompolo isan-jaton’ny lozam-pifamoivoizana, avy amin’ny  môtô avokoa. Tsy misy afa-tsy ny fitandremana ihany satria patsa iray tsy omby vava araka ny fitenenana rehefa ho avy ny loza.

J.C

Les commentaires sont fermées.