Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mbola mihenjana ny tady… : ny mpanao gazety tsy hihemotra, ireo depiote tsy te hahalala

Mbola mihenjana ny tady…  : ny mpanao gazety tsy hihemotra, ireo depiote tsy te hahalala

 Niara-nidinika tetsy Andraharo, omaly, ny avy amin’ny rafitra eo anivon’ny Firenena mikambana (ONU) sy ny mpiantsehatra momba ny fifandraisana rehetra, miaraka amin’ny solontenam-panjakana. Nivoaka ny fehinkevitra niraisan’ny rehetra fa hahemotra ny fandinihana ny volavolan-dalana ary hanao dingana ny rafitry ny ONU.

Teboka maromaro niraisan’ireo mpidinika rehetra ary niarahana nanasonia ny amin’ny fiekena fa nasiam-panovana ilay volavolan-kevitra momba ny lalàn’ny fifandraisana. Nekena koa fa tokony hitohy ny adihevitra ary hahemotra ny fandinihana azy eny anivon’ny Antenimierampirenena. Manampy ireo ny andraikitra noraisin’ny rafitra eo anivon’ny ONU fa hitondra io fehinkevitra niraisana io ato anatin’ny fotoana fohy any amin’ny praiminisitra sy ny filoham-pirenena. Samy nahatonga solontena avokoa : ny mpanao gazety ; ny fiarahamonim-pirenena ; ny avy amin’ny minisiteran’ny Fifandraisana ; ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM) ary koa ny avy amin’ny Gepimm.  Anisan’ny nambaran’ny solontenan’ny mpanao gazety, Lalatiana Rakotondrazafy fa efa niaiky ny solontenan’ny governemanta ny amin’ny tokony hiakaran’ny resaka amin’ny ambonimbony kokoa. « Tsy eo amin’ny lentany  intsony ny dinika », hoy izy nitatitra ny fihaonana. Nanamafy izany koa ny filohan’ny OJM, Rakotonirina Gerard, fa tokony hahemotra ny fandinihana azy io. « Ilaina ny fifampidinihana amin’ny fitondrana hanazavana azy io fa tena niova ilay volavolan-kevitra », hoy izy. Amin’ny ankapobeny, nanome rariny ny mpanao gazety ny mpivory rehetra tao. Tsiahivina fa nahitana avy amin’ny Pnud ; ny Unesco ; ny Unicef ; Fnuap… ireo rafitra eo anivon’ny rafitry ny ONU.

Tsy azo ihodivirana ny handinihana ilay lalàna

Teny Tsimbazaza kosa, nolanin’ireo depiote ny lahadinika ny maraina ka tafiditra sy nolanin’izy ireo ny handinihana eo anivon’ny vaomieran’ny fifandraisana ilay volavolan-dalàna.

Noraisin’ny depiote teny Tsimbazaza kosa ny solontenan’ny mpanao gazety ny tolakandro. Nambaran’ny solontenan’ny mpanao gazety, Lalatiana Rakotondrazafy, nitatitra ny fihaonana, fa sarotra ny nifampiresaka amin’ireo depiote, efa mivonona ny handany azy io ary hanao amboletra izany.  « Rehefa tsy hihaino anay sy tsy hanemotra ny fandaniana azy io ianareo, lanio fa efa nahavita ny adidinay izahay », hoy izy tamin’ireo depiote. Nandamoka izany ny dinika.

Raha tsy misy ny fiovana, handalo eo anivon’ny vaomiera izany anio ary hitohy amin’ny fandaniana azy ireo depiote.

Manomboka eto, ho sarotra ny raharaha raha handray fanapahan-kevitra ny handany azy io ny depiote. Mbola hanana ny hambarany sy ny andraikitra horaisiny koa anefa ny mpanao gazety sy ireo olon-tsotra… Hafa indray raha misy fiovan-kevitra manoloana ny tsindry ataon’ny rafitry ny ONU amin’ireo mpitondra. Tantara mitohy !

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.