Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fahasalamana : mpitsabo spécialiste 103 handray asa

 103 ny mpitsabo spécialiste nahavita fianarana hamonjy asa amin’ny sampam-pitsaboana maro amin’ny hopitaly manerana ny Nosy, nanomboka omaly. Nozaraina omaly ny « décision d’affectation » ho azy ireo hanatsara ny fandraisana an-tanana ny marary. Hanampy ny mpitsabo ny fahazoana fitaovana vaovao avy amin’ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS) sy ny alliance Gavi ahitana ny Unicef. Fiara 4×4 13, moto 56 no natolotra ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka teny Anosy. Hampiasain’ny sampandraharaha misahana ny fanaovam-baksiny sy ny fanaraha-maso ny aretina habokana ny fitaovana vaovao. Nahazo vata fampangatsiahana mandeha amin’ny masoandro 100 ny mpandrindra ny fanaovam-baksiny hapetraka amin’ny CSB hitehirizana ny vaksiny. Araka ny fanadihadiana natao farany, zaza roa amin’ny telo vita vaksiny. Ho an’ny habokana, distrika 40 mbola ahitana tranga amin’izao fotoana izao, hoy ny solontenan’ny OMS eto amintsika, Charlotte Faty Ndiaye.

Natolotra omaly koa ny tablette 450 ho an’ny CSB hahafahana manara-maso ny fivoaran’ny karazan’aretina 28 handraisana ny fepetra raha miseho ny valanaretina iray.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.