Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsiroanomandidy : taksiborosy nivadika, olona efatra indray namoy ny ainy

 Olona efatra maty tsy tra-drano vokatry ny lozam-piarakodia nitranga tao Antanambao Tsiroanomandidy, afakomaly alina noho ny fandehanana mafy no voalaza fa nahatonga ny loza…

 Nampihoron-koditra ity lozam-piarakodia nitranga tao Antanambao Tsiroanomandidy ity. Zazalahikely iray 7 taona ny iray tamin’ireo mpandeha efatra namoy ny ainy. Teo amin’ny 20 km mialoha ny hidirana ny tanànan’i Tsiroanomandidy no nitrangan’ny loza, araka ny fanazavan’ireo niharam-boina. Fantatra kosa fa vokatry ny fandehanana mafy no nahatonga ny loza ka tsy voafehin’ny mpamily intsony ny familiana ka nampivadibadika ny fiara. Mpandeha maro tao anatin’ity fiara ity naratra mafy. Tapa-tanana aman-tongotra avokoa ny ankamaroan’ireo mpandeha, ankoatra ireo naratra teo amin’ny lohany. Voalaza fa zaza amam-behivavy avokoa ireo naratra ka voatery naiditra hopitaly haingana ao Tsiroanomandidy. Fantatra kosa araka ny fampitam-baovao voaray fa mbola miady amin’ny fahafatesana ny mpamilin’ilay fiara noho ny ratra nahazo azy. Nifanome tanana tamin’ny famonjena ireo naratra  ireo olona teny amin’ny manodidina ny toerana nitrangan’ny loza. Misy tamin’izy ireo no mbola taraiky tao anaty korontambin’ny fiara. Potika tanteraka tsy nisy noraisina intsony ilay fiara vokatry ny fivadibadihany. Tonga teny an-toerana nitrangan’ny loza ny zandary nanao ny fanadihadiana.

Tokony hitandrina hatrany ny mpamily mitondra fiara eny amin’ny lalam-pirenena satria tandrevaka kely fotsiny, mety amoizana aina. Maro amin’ireny fiara Sprinter ireny rahateo no tsy mety amin’ny lalana eto amintsika ka tokony ho mailo hatrany ny mpamily mba hialana amin’ny loza tampoka toy izao.

J.C

Les commentaires sont fermées.