Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – «Cosafa U17» : iray vondrona ny Barea sy Zambia

Hotanterahina atsy Maorisy, ny 22 ka hatramin’ny 31 jolay ho avy izao, ny fiadiana ny “Cosafa”, ho an’ny sokajy U17, taranja baolina kitra. Araka ny antsapaka natao, tany Johannesbourg, ny zoma 1 jolay lasa teo, ao amin’ny vondrona “B” no misy ny Barea Academy de Madagascar, ka iarahany amin’i Zambia, tompon’ny anaram-boninahitra farany, ary Malawi sy Mozambika.

Raha ny fandaharam-potoana, Malawi no hifandona amin’ny Barea Academy, voalohany ny 23 jolay, ao amin’ny kianja Port-Louis, avy eo mihaona amin’i Mozambika, ny 25 jolay ary ny lalao farany hikatrohana amin’i Zambia, ny 27 jolay.

Miaraka ao amin’ny sokajy “A” kosa i Maorisy, mpampiantrano, Seychelles, Afrika Atsimo ary Namibia. Mifandimby mihaona ireo ekipa ao anaty vondrona ka tafita amin’ny lalao manasa-dalana, ny roa voalohany.

Marihina fa hotanterahina amin’ny kianja roa ny fifanintsanana dia ny ao Georges V Stadium ao Curepipe sy ny St François Xavier, ao Port-Louis, renivohitra. Tsiahivina fa efa niatrika lalao fanomanana tany Maorisy, ny Barea Academy, ny volana marsa lasa teo, ka nahazo fandresena roa sy ady sahala roa, ny vokatra azony, tamin’izany.

 Tompondaka

Les commentaires sont fermées.