Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Didimpoitra : zazalahikely 1.200 hoforaina

Didimpoitra : zazalahikely 1.200 hoforaina

Natomboka, omaly hariva  tetsy amin’ny BMH Isotry, ny didimpoitra faobe ho an’ireo zazalahikely 50 mahery avy amin’ny boriborintany fahefatra. Tanjon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny hanao famorana faobe zazalahikely manodidina ny 1.200 manerana ny boriborintany enina ao anatin’ny volana jolay sy aogositra manontolo.

Asa fanasoavana ny mpiara-belona hanamaivanana ny fahasahiranana ara-tsosialy avy amin-dRamatoa Ravalomanana Lalao, amin’ny maha renim-pianakaviana azy, izao tanterahina izao”, hoy ny fanazavan’ny tompon’andraikitra.

Nizarana kilalao samihafa sy akanjo malabary avokoa ny zaza vita famoràna rehetra. Mpiara-miombon’antoka amin’ny CUA amin’izao hetsika izao ny Handicap international, ary mpiara-miasa kosa ireo mpitsabo avy ao amin’ny departemantan’ny asa sosialy sy fahasalamana.

Marihina fa efa nampahafantarina mialoha ireo delegen’ny boriborintany rehetra ny tetiandro sy ny toerana raikitra hanatanterahana ny didimpoitra ato anatin’ny roa volana. Manatona ny fokontany na ny boriborintany onenany ireo mila toromarika momba izany.

Tatiana A

 

Les commentaires sont fermées.