Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Beroroha : tafakatra sivy ireo dahalo saron’ny zandary

Beroroha : tafakatra sivy ireo dahalo saron’ny zandary

Niampy dimy indray ireo dahalo azo sambo-belona tao Fanjakana Beroroha, omaly izay tompon’antoka tamin’ilay raharaha fanafihana taksiborosy Bilomalaza namoizana ain’olona ampolony maro tao Beroroha. Tafakatra sivy, araka izany, ny isan’ireo dahalo saron’ny zandary tamin’ity fanafihana ity. Araka ny loharanom-baovao voaray, misy amin’izy ireo no mpiray tsikombakomba, ao kosa ireo mpanome fitaovam-piadiana sy mpampiantrano. Mbola misy, araka izany, ireo dahalo karohina amin’izao fotoana izao.

Efa azo avokoa ny mombamomba ireo dahalo ireo rehefa natoron’ny namany voasambotra ireo mpiray tsikombakomba amin’izy ireo.

Tsiahivina fa miisa 30 mahery ireo namoy ny ainy vokatry ny fivadihan’ity taksiborosy ity rehefa notifirin’izy ireo ny mpamily ary tsy nijanona tamin’izay fa mbola notifirin’izy ireo koa ny kodiaran’ny fiara. Nivadibadika ny fiara ka nahamaro ireo olona namoy ny ainy.  Lasan’izy ireo tamin’izany ny vola antapitrisany ny entan’ireo mpandeha rehetra. Nanamafy hatrany ny zandary fa tsy hamelan’izy ireo raha tsy tratra ireo dahalo tompon’antoka tamin’ny fanafihana narahina vonoan’olona ity.

J.C

Les commentaires sont fermées.