Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Lalao tenisy : hiatrika ny « Cap Kids Tour » ny Atema

Lalao tenisy : hiatrika ny « Cap Kids Tour » ny Atema

Nanainga ny alin’ny asabotsy 2 jolay teo hihazo an’i Cap d’Agde ny mpilalao tenisy malagasy ao amin’ny Académie de Tennis Malagasy (Atema). Anisany anton-dian’ireto mpilalao 10 mianadahy latsaky ny 16 taona ireto ny fiatrehana ny lalao « Cap Kids Tour » any an-toerana izay haharitra telo herinandro. Ankoatra izay, hiatrika fiofanana ihany koa ireo mpanazatra roa mitondra ny delegasiona izay ahitana ny « Head coach » Harivony Andrianafetra.

Ho an’ny tontolon’ny lalao tenisy, anisan’ny toeram-piofanana iraisam-pirenena lehibe indrindra ao Eoropa ny any Cap d’Agde ao Frantsa. Ankatoavina maneran-tany ny vokatra mivoaka amin’io foibe io. Mahazo isa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena rahateo  ny ezaka ataon’ny mpiofana tsirairay mendrika mandalo any amin’izany foibe izany. Toerana manan-tantara sy manan-danja eo amin’ny lalao tenisy ihany koa ny Cap d’Agde satria saika nandalo sy niofana tao avokoa ireo mpilalao tenisy frantsay malaza eran-tany. Manana ny fotodrafitrasa goavana indrindra ao Eoropa hoenti-mandray ireo lalao sy fiofanana ary atrikasa iraisam-pirenena tahaka izao rahateo ity foibe ity.

Tombony lehibe ho an’ny tontolon’ny tenisy malagasy ny tahaka izao. Tanjon’ny Atema rahateo ny hanohizana ny toy izao eto Madagasikara

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.